Vokatry ny angom-baovao marim-pototra sy ny fanadihadiana lalina nataon’ny sampandraharaha eo anivon’ny zandarimariam-pirenena, tra-tehaka teny By-pass ny vehivavy iray naka an-keriny zaza vao 2 taona monja, ny 8 jona teo. Nametrahan’ny ray aman-drenin’ny zaza fitokisana amin’ny fikarakarana sy fanaraha-maso ilay zaza, nentin’io vehivavy io nandositra ny zaza vao 2 taona sy tapany, ny tolakandron’ny alatsinainy 8 jona, tamin’ny 3 ora sy sasany. Nikoropaka ny fianakavian’ny zaza rehefa naharay hafatra miafina tamin’ny alalan’ny finday, ny hariva tokony ho tamin’ny 6 ora sy 38 minitra. Notazomin’io mpanampy io ilay zaza ary nitakiny vola mitetina 4 tapitrisa Ar tamin’ny mpampiasa azy. Nampandre ny mpitandro filaminana anefa ny fianakavian’ny zaza ary niroso tamin’ny fiaraha-miasa ny roa tonta nahafahan’izy ireo nisambotra ilay nahavanon-doza.
Tsy nahazo vola
Nifanaraka ny ray aman-drenin’io zaza io sy ilay mpaka an-keriny fa handefa ny vola amin’ny alalan’ny finday. Voatondro ho toerana hamerenana ilay zaza amin’ny fianakaviany, teny Ivandry. Taorian’ny fanadihadiana lalina nataon’ny mpitandro filaminana, sarona teny By-pass Vatobe io vehivavy io sy ilay zaza nalainy an-keriny. Nikasa handositra niaraka tamin’ny vola 4 tapitrisa Ar tao anatin’ny findainy izy. Nosamborina ity farany ary nentina natao famotorana. Naverina amin’ny fianakaviany ilay zaza izay tsy misy natahorana ny ainy. Ilaina ny fahamailoan’ny tsirairay manoloana ny firongatry ny tsy fandriampahalemana, hisorohana ny tranga tahak’izao.
Tsiferana R.




