Tsaralalàna: Avotra ilay zaza nariana tao an-kabone

Avotra soa aman-tsara, taorian’ny firaisankinan’ireo tsara sitrapo ny zaza vao teraka narian-dreniny, tetsy Tsaralalàna, boriborintany voalohany, ny tolakandron’ny talata 10 jona teo. Tsikaritry ny mpandalo ho misy trangan-javatra hafahafa tao anatin’ilay daba fanariana taratasy maloto, tao anatin’ny toeram-pivoahana iombonana iray. Zazakely vao teraka sy mbola nihoson-dra io hita nisy nanary io. Nifarimbona namonjy ilay zazakely avy hatrany ny manodidina ary nanavotra azy. Voavonjy ara-potoana ilay zaza vao teraka ary tsy nisy atahorana ny ainy. Tsy hita teo amin’ny manodidina intsony ny olona nanary azy, tamin’io fotoana io. Miroso amin’ny fanadihadiana ny mpitandro filaminana ahafahana misambotra ny olona nahavanon-doza nahavita nanary zanaka nateraka anaty toeram-pivoahana iombonana tahak’ity nitranga tetsy Tsaralalàna ity. Miseholany tato ho ato ny fanarian-jaza vao teraka. Anisan’izany ilay zaza hitan’ny fokonolona tao Avaratsena Mahitsy, ny volana marsa lasa teo.

Tsiferana R.

Partager sur: