Voasambotry ny polisy ny tambajotra mpangalatra sy mpamaky fiarabe mpitatitra entana, tany Toliara, ny alin’ny 8 jona 2026 lasa teo. Nahatsikaritra olona mampiahiahy teo akaikin’ny kamiao iray miaraka amin’ny entana ny polisy mpanao fisafoana. Nirifatra nandositra ireo olona vao nahatazana ireo mpitandro filaminana ka nifanenjehana. Voasambotra ny iray ka nanondro olona dimy hafa mpiray tsikombakomba aminy.
Miatrika fiofanana mahakasika ny fanadihadiana momba ny ady amin’ny heloka ana habaka ny polisim-pirenena, ny talata 09 jona 2026 teo. Natao tetsy amin’ny Fitaleavana misahana ny Fikarohana sy ny fiofanana mitohy (DRFC) Antanimora, ny fanokafana izany. Hamafisina ny fahaiza-manaon’ireo Polisy mpanao fanadihadiana amin’ny fiatrehana ireo heloka an-tambajotran-tserasera sy mifandraika amin’ny fanararaotana ara-nofo an-tserasera, ny fakàna an-keriny ary ny herisetra atao amin’ny ankizy amin’ny alalan’ny teknolojia sy ny tambajotra sosialy.
Nahitana kodiaran-droa iray tsy hita ny tompony tetsy amin’ny sampanan’i Mahazo sy Ambatomaro, ny alin’ny 09 hifoha 10 jona lasa teo. Marika G5 Megafi, miloko manga, izy io. Tovolahy roa no hitan’ny zandary nanosika izany. Nandositra avy hatrany izy ireo vao naneno ny kiririoka. Andrasana ny tompony mba haka izany, miaraka amin’ny fanamarinana.




