VAOVAO TAMBATRA

Hatao ny fanadihadiana ara-tontolo iainana ny tetikasa Produir. Ny fanjakana no hiantoka ny vola hanatanterahana azy. Tsiahivina, fa natao itsinjovana amin’ ny tondradrano eny amin’ny faritra iva eto Antananarivo ity tetikasa ity. Voakasik’izany, ny fiarovana ny reniranon’Ikopa sy Sisaony, ary indrindra ny fanadiovana sy ny fanamafisana ny lakandrano Andriantany sy ny C3, miainga eny Anosibe hatreny Andranomena, mirefy 12 km.

Nofantarina ireo karazana famatsiam-bola mifanaraka amin’ny FDA, na Tahirimbola hampandrosoana ny fambolena. Nangonina ny tolo-kevitra stratejika avy any amin’ny mpiara-miombon’antoka. Nofaritana ny asa laharam-pahamehana. Nodinihina ny tombontsoa azo amin’ny rafitra ara-bola sy ny paikady hanohanana ny tantsaha sy ny mpisehatra amin’ny fambolena. Ireo no lahadinika natao ny 9 sy 10 jona teo, mahakasika ny fandaharanasa PrAda2, tohanan’ny GIZ sy ny Gopa AFC, teny Ambatobe.

Niofana mahakasika ny fampiasana ny angon-drakotra (logiciel) « Augure » ny mpiasan’ny minisiteran’ny Fiompiana, ny 9 jona teo. Nisy ny fampiharana ny fampiasana azy, hanatsarana ny fitantanana ny raharaham-panjakana maoderina. Tanjona ny hahazoana antoka ny asa atao sy ny fanaraha-maso ary ny fitantanana ny tahirin-kevitra mahakasika ny mpiasa rehetra. Nanaraka ny fiofanana ny mpiasa ao amin’ny sampana fitantanana ny maha olona ao amin’ny minisitera.

Partager sur: