Manohana ny Foara iraisam-pirenena ho an’ny Fizahantany (ITM) sy ny ho an’ny asa tanana (IHM), atao eny amin’ny CCI Ivato, ny banky Bred Madagasikara, amin’ny maha « Sponsor Platinium » azy. Misy ny tolotra vaovao omena ny mpitsidika sy ny mpanjifa.
Mitsinjo manokana ny olon-tsotra, ny matihanina, hampiroboroboana ny sehatry ny fizahantany eto amintsika, izay andry iray mitondra fampandrosoana ny firenena ny hetsika. Nambaran’ny tale jeneralin’ny Bred Madagasikara, i Thierry Charras Gilot, nandritra ny fisokafan’ny « ITM-IHM 2026 » teny amin’ny CCI Ivato, ny 11 jona teo, fa « ahafahana mahafantatra bebe kokoa ny harena voajanahary ananan’i Madagasikara ny fizahantany. Toy ny fahasamihafan’ny tontolo voajanahary, ny vakoka sy ny harentsaina, ny fahaiza-manaon’ny Malagasy, sns. Vahaolana aroson’ny Bred Madagasikara, ny fiaraha-miombon’antoka amin’ny mpandraharaha, hanatanterahiny ny tetikasany avy. Entina hanamafisana ny fisarihana ny mpizahatany amin’ny alalan’ ny fanamorana ny fanatanterahana izany ». Singanina amin’izany ny fiaraha-miasan’ ny Bred Madagasikara sy ny orinasa AIOLIOS, mahafehy ny tontolon’ny sehatry ny niomerika amin’ny fizahantany. Fiarovana sy fanomezana antoka ny fandoavam-bola niomerika sy amin’ny alalan’ ny tambajotra internet izy io. Toy ny dingana samihafa amin’ny famandrihana ny saram-piaramanidina, ny trano fiantranoana sy/na fisakafoana, ny fitaterana, ny fitsidihana ny valanjavaboahary, sns, izany. Manafaingana sy manamora ny filan’ny mpanjifa izany rehetra izany.
Harena amorontsiraka
Mifanandrify amin’izany, misy koa ny paikady hafa, hampiroboroboana ny fizahantany ataon’ny Bred Madagasikara. Izy no banky ofisialy miahy ny hetsika ara-panatanjahatena, « Sookany Trophy”, andiany voalohany. Fifaninanana andraisan’ny sambokely, botry malagasy, hatao ny volana jolay izao, any Ramena Antsiranana. Fotoana hanomezan-danja ny vakoka harena amorontsiraka an’i Madagasikara sady harena ara-kolontsain’ny Malagasy. Hisy ny fanentanana ny vondrom-piarahamonina eny ifotony hiaro ny ranomasina manoloana ny fako plastika, any amin’ ny faritra Diana.
Njaka Andriantefiarinesy




