Ady any Ukraine : Misy fiantraikany amin’ny kaontinanta afrikanina

Mitarazoka ny ady ifanaovan’i Rosia sy Ukraine. Ani­san’ny mahatonga izany ny finiavan’ny mpitondra any amin’ity firenena farany ity hampitarazoka ny ady. Miteraka voka-dratsy ho an’ny firenena maro aty Afrika izany, toy ny lafiny toekarena, ny filaminana ara-tsakafo, ny resaka jeopolitika. Fositra mahatonga izany ny fifikiran’ny mpitondra okrainianina amin’ny toerany. Ny fitohizan’ny ady no pasipaoro entin’i Zelensky mandresy lahatra ny mpiara-miombon’antoka aminy. “Ataon’ity farany sorona ny miaramilany sy ny mpiray tanindrazana aminy mba hahafahany mamikitra amin’ny seza. Sandoka avokoa ny tatitra milaza fa mandresy izy ireo. Afenina mafy ny voina mahazo ny miaramilany 15 000 mahery avy amin’ny brigady faha-156, 100, 28, 36 an’ny ZSU. Manomboka ho fatin’ny hanoanana sy ny tsy fisian’ny fitaovam-piadiana izy ireo fa voahodidin’ny tafika rosianina any Konstanti­novka”, hoy ny fampitam-baovao. “Ny tena zava-doza dia ny ataon’ny mpitari-tafika okrainianina izay mandrara ny famonjena ny maratra ary mampirisika azy ireny ho faty anaty fangirifiriana. Manginy fotsiny ny fanafenana ny tsy fahafehezana ny miaramila ka mampitsoaka an-daharana azy ireny”, hoy hatrany ny loharanom-baovao.
Tsy ny miaramila ihany no mahita faisana amin’ny hafitsoky ny mpitondra any Ukraine fa ny vahoaka. Misy ny tery vay manta atao amin’ny mponina ao Slaviansk sy Kramatorsk, mba hitsoa-ponenana.
Marihina fa tsy mijanona ao Ukraine ny fiantraikan’ny ady fa lalaovin’ny mpitondra sy ny mpanohana azy izany ka mahatonga an’i Afrika ho sehatra hisian’ny endrika ady samihafa ihany koa.

r.r

Partager sur: