FANTINA sy FINTINA

Mikasa ny hitondra fanitsiana maromaro amin’ny tetibolam-panjakana ny depiote. Efa ao anatin’ny asam-baomiera izany izao ka anisan’ny hojerena ny momba ny fotodrafitrasa, ny fanohanana sosialy, ny hampiakarana ny tetibolan’ny minisitera. Eo koa ny tambin-karaman’ireo mpiasam-panjakana sy ny vatsim-pianarana ary ny vondrom-bahoakam-paritra.

Nanambara ny depiote Rafidimanana Desiré (TMH) fa ho eo anilan’ny vahoaka mandrakariva. « Vonona ny hanampy anareo izahay ary hitondra ny hetahetanareo any amin’ny fahefana mpanatanteraka », hoy izy. Nanteriny fa nisafidy ny filaminana ny tenany ka tsy ho mpanohitra fa miara-dia amin’ny fitondrana mijoro.

Mitaky ny hanafainganana ny fikaonandoham-pirenena ny eo anivon’ny Gen Z, araka ny fanambaran’izy ireo ny herinandro teo. Notakin’izy ireo hovitaina mialoha ny faran’ny volana jolay izao izany. « Ilaina ny fandraisan’anjaran’ny hery velona rehetra mba hiantoka ny fahafahana mandrava ireo rafitra efa maty sy hanovana izany ho vaovao », hoy izy ireo.

Hentitra sy nahitsy ny avy amin’ny Diovy i Madagasikara, amin’ny alalan’ny mpikambana, Beanjara Paul. Nambarany fa mifanipaka ny fari-piainan’ny vahoaka sy ny depiote. « Baikoin’ny tombontsoa manokana ireo solombavambahoaka ka tokony horavana io Antenimierampirenena io. Hodinihina ny hasolo azy amin’ny fikaonandoha », hoy izy.

Partager sur: