Nanaovan’ny mpitandro filaminana fidinana ifotony ny orinasa sinoa iray tetsy Tsarasoatra, ny sabotsy maraina teo. Naratra, nandritra izany, ny mpiambina sy ny mpiasa maromaro tao aminy. “Nihanika tamboho ireo andian’olona ireo rehefa tsy navela hiditra”, hoy ireo nanatri-maso. « Tsy navela hiditra tao anatiny anefa ireo mpitandro filaminana tonga nanao ny fisavana. Tsy maintsy natao ny fomba rehetra nahafahana niditra tao an-toerana ka nahatonga ny fikasihan-tanana, izay heverin’ny olona fa fanaovana herisetra », hoy ny Commissaire divisionnaire de police, Rabenandrasana Jean Marcel. Misy mpiasa 700 mahery ao amin’io orinasa io ary toerana efa nogiazana nandritra ny fidinana voalohany nataon’ny polisy izy io. Haka ireo fitaovana nampiasaina tao anatiny ny antony nandehanana teny an-toerana. Teratany vahiny avokoa ny ankamaroan’ireo mpiasa ao. Miteraka fahavoazana lehibe ho an’i Madagasikara ny tsy fanenjehana ireo olona ireo. Nohamafisiny hatrany fa efa nohenjehina tany amin’ny firenen-kafa ihany koa izy ireo nefa izao tonga eto izao.
Mino




