Hanao ahoana ihany ny ho fizotran’ny raharaham-pirenena amin’izao? Indrindra ny amin’ny fampanjakana ny fandriampahalemana sy ny fiainana amim-pitoniana… Tsy hoe tsy fisian’ny asan-jiolahy ihany izay, fa eo indrindra koa ny fitonian-tsaina amam-panahy andavanandro. Hanao ahoana ny fanatanterahana ny fikaonandoham-pirenena? Eo ny hoe miainga any ifotony eny anivon’ny fokontany. Toy izany koa ny hoe fiantsoana ny rehetra handray anjara, tsy misy hevitra azo ailika… Misy ihany ny fanahiana fandaniana antontan-kevitra efa voaomana mialoha. Ndrao izay natao hifandaminana indray no mampikorontana an-toerana? Tsy mampandry saina.
Tsy mampandry saina be ihany ny sasany etsy sy eroa koa ny fisiana fisamborana sy fanenjehana ara-pitsarana. Tsy mifankahazo ny resaka? Na tsy ampy na tsy maharesy lahatra ny fanazavana… Mitady hifangaro voraka be ihany ny raharaha politika sy ny fanehoan-kevitra ary ny fandikan-dalàna? Tsy mampilamin-tsaina ny sasany amin’izany ny fifandraisan’ny samy olona… Sanatria, manohintohina fitondrana na manakorontana sy manongam-panjakana avokoa izay mihetsika rehetra? Tsy mampilamina sy mampitony saina na eo amin’ny samy olona aza: mpiara-miasa, mpiara-belona… Mampatahotra be ny raharahan’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) farany teo: iza no nitondra teny nivoaka, be tati-bolana, mila ranondranony… ? Sanatria, izany ve no atao ho fomba fiasa sy fiaina? Na fanavaozana…
Napetraky ny vahoaka izao fitondrana izao, nefa ny vahoaka indray no tsy milamin-tsaina be ihany amin’izay miseho sy atao. Ho tonga hatraiza? Ho hita eo… Ny mpitondra no mitondra dia ny vahoaka. Ny fifampitokisana no antony sy antoky ny fitoniana… Mby aiza?
R. Nd.




