Nanakorontana: Polisy mamo nananton-tena tamin’ny tady

Hita faty nananton-tena tamin’ny tady tao anaty violon, tany Antsohihy, omaly maraina, ny polisy iray antsoina hoe: Ramahevitra Victorel Rajaonah. BCP3, miasa eo anivon’ny kaomisaria foibe ao Antsohihy ny tenany. Raha ny fanazavana voaray, voalaza fa mamo ity mpitandro filaminana ity ka nanakorontana sy nifamaly tamin’ny mpiara-miasa taminy tao anatin’ny biraon’ny kaomisaria. Nandra­hona ny hitifitra tamin’ny basy izy nandritra izany, raha ny fanazavana voaray hatrany. Nanapa-kevitra ny hanidy azy « violon » ireto farany. Efa vatana mangatsiaka nihantona tamin’ny lamba, teo afovoan-trano no hitan’ireo polisy namany, omaly maraina, rehefa nikasa hijery azy tao amin’io toerana andalam-pamonjana io. Nifatotra lamba ny tendany. Tombanana efa maty ny alina izy, raha ny loharanom-baovao hatrany.
Polisy efa tokony hisotro ronono amin’ny herintaona ity namono tena ity, raha ny fampitam-baovao voaray. Ankoa­tra izay, somary nahitana fihetsika mahery setra foana ity farany talohan’izao tranga izao. Avy nifamaly tamin’ny vadiny tany an-trano ihany koa ity polisy namono tena ity talohan’io tranga io, raha ny fanazavana voaray hatrany. Hatreto, tsy mbola fantatra mazava ny antony namonoany tena. Nisy ny fidinana ifotony nataon’ny mpitandro filaminana, niaraka tamin’ny BMH, nizaha ny razana. Nampa­ndre­nesina mahakasika ny zava-nisy ny vadiny. Mitohy ny fanadihadiana. Kasaina hoentina any Befandriana Avaratra, anio atoandro, any amin’ny tanindrazany, ny vatana mangatsiakany. Tsia­hivina fa polisy iray mpiambina sy miasa ao amin’ny toby fianarana ho polisy ao Antsirabe ihany koa no nitifi-tena teo amin’ny lohany, ny alatsinainy 25 mey lasa teo.

Mino

Partager sur: