Hotanterahina ny 24 sy 25 jona, ao Anjeva Gara, distrikan’Antananarivo Avaradrano, ny hetsika “Ranty Vokatra”, andiany fahenina. Hetsika karakarain’ny Antenimieran’ny varotra sy ny indostria eto Antananarivo (CCIA). Tanjona ny hanasongadina ny vokatra avy eto an-toerana sy hanamafisana ny fahafahan’ny orinasa tena madinika sy madinika ary salantsalany (MTPME) manitatra ny fiaraha-miasa ara-barotra eto amin’ny faritra Analamanga.
“Anisan’ny andraikitry ny CCIA ny manohana sy manampy ny MTPME eto Analamanga. Antony hanaovana ny hetsika Ranty Vokatra”, hoy ny tale jeneralin’ny CCIA, Andrianaivo Hery Nirina. Kendrena ny hampivelatra ny asan’ireo orinasa madinika sy hanome sehatra ahafahan’izy ireo mampahafantatra ny vokatra sy ny tolotra omeny. Fotoana lehibe ara-toekarena natokana handrisihana ny famokarana sy ny fandraharahana avy eto an-toerana ny hetsika atao. Anjeva Gara no handray ny hetsika amin’ity taona ity raha toa ka tany Mahitsy ny andiany fahadimy, tamin’ny taona 2025. Paikady apetrak’ireo mpikarakara ny handraisan’ny isaky ny distrika eto Analamanga ny hetsika, hanasongadinana ny tanjaka ara-toekarena eny ifotony.
Faritra mpamokatra
Hetsika ara-toekarena lehibe izy ity, natokana hanomezana sehatra ireo mpandraharaha, hampahafantarana ny vokatra sy ny tolotra omen’izy ireo, sady hanamafisana ny fiaraha-miasa ara-barotra eo amin’ireo mpisehatra. Nosafidiana manokana Anjeva Gara noho ny toerana misy azy, 25 kilometatra miala an’Antananarivo sy ny maha toerana mavitrika ara-barotra azy. Faritra mpamokatra legioma sy voly an-tsaha betsaka koa izy. “Mahatratra 70 eo ho eo ny tranoheva handray anjara amin’ity andiany ity”, hoy ny ben’ny Tanànan’Anjeva Gara, Raoeliarison Haja Yves. Hisy mandritra ny roa andro ny fampirantiana sy fivarotana vokatra, fihaonana ara-barotra BtoB, atrikasa ary hetsika ara-kolontsaina isan-karazany.
Henintsoa




