Tolo-kevitra amin’ny fikaonandoha : Mitaky ny fizakan-tenan’ireo faritra 24 ny MMM

Nitohy tany amin’ny faritra Diana indray ny fikaonandoham-paritry ny antoko Malagasy miara-miainga, ny faran’ny herinandro teo. Nitondra soso-kevitra maromaro hoentina amin’ny fikaonandoham-pirenena izy ireo, tamin’izany.

Nambaran’ny birao politika, i Volahaingo Marie Thérèse, fa hanolo-kevitra amin’ny fikaonandoham-pirenena izy ireo aorian’izao fidinana ifotony eny anivon’ny faritra izao. Nandray ireo soso-kevitra avy amin’ny mpikambana MMM tao amin’ny faritra Diana izy ireo tamin’ity fikaonandoha ity, araka ny nambarany. Nafana ny adihevitra momba ny fametrahana ny faritra mahazaka tena, ny rafitra mpikarakara ny fifidianana.

Nanterin’ny birao politika fa ilaina ny fanovana ny rafitra sy ny Andrimpanjakana. Ilaina tahaka izany koa ny fanovana ny lalàm-pifidianana sy ny momba ny antoko politika mba hisorohana ny krizy miverimberina eto amin’ny firenena. Mazava ny hevitry ny MMM momba ny fitsinjaram-pahefana. « Resy lahatra izahay amin’ny hametrahana ny fizakan-tenan’ireo faritra 24 ireo. Omena tetibola manokana sy mahalelo tena ary fahefana bebe kokoa izy ireo mba hanakaiky vahoaka. Tan­ta­nin’ny olom-boafidy izany », hoy izy.

Mijoro hanitsy ny tsy mety…

Nohitsiny anefa fa tsy fampisaraham-bazana velively ny fametrahana faritra mizaka tena.
Notsindrina manokana fa manohana ny Fanavaozana ny antoko ary anisan’ireo vy nahitana sy angady nananana izao fitondrana izao. « Sahy mijoro hatrany manitsy ireo heverina ho tsy fetezana eo amin’ny lafiny fitantanana ny firenena koa anefa isika », hoy ny birao politika.
Samy nitondra ny hetahetany sy ny maharary azy ary ny soso-keviny ireo mpikambana MMM tonga tao Ambilobe, tamin’izao fikaonandoham-paritra izao. Ani­san’izany ny tokony hitambaran’ireo antoko politika mitovitovy fijery ka mba ho telo na efatra sisa ireo antoko aman-jatony eto amintsika ireo. Ny tsy tokony hamerenan’ny mpitondra amin’izao fotoana izao ny hadisoan’ny teo aloha.
Tsiahivina fa efa vita ny fikaonandoham-paritry ny MMM tany Betsiboka, Amba­tosoa, Atsinanana.

Synèse R.

Partager sur: