Alliance pour la vanille de Madagascar : Manokana 40% ny tetibolany hividianana lavanila

Hividianana lavanila voakarakara ny 40% ny volan’ny Alliance pour la vanille de Madagascar (AVM). Tapaka izany nandritra ny fivoriana voalohan’ny filankevi-pitantanana tany Antalaha sy Sambava, omaly.

Fanapahan-kevitra natao hitrohana ireo tahirim-bokatra be loatra ka mampitotongana ny vidin’ny lavanila ny vahaolana napetraka. Natao izany hanarenana ity seha-pihariana sy miantoka fidiram-bolan’ny mpamokatra ity. Mitentina 38 tapitrisa dolara ny kitapom-bolan’ny AVM ka ha­tokana hanarenana ny ha­natsarana ny fidiram-bolan’ireo mpisehatra ny ampahany amin’ io vola io. “Hividy lavanila voakarakara hatramin’ny 600 taonina amin’ireo mpandraharaha mpanondrana ny AVM. Ho se­trin’izany, takina hividy lavanila maitso 3 000 taonina eny amin’ny tantsaha kosa ireo mpanondrana”, hoy ny minisitry ny Varotra sy ny fanjifana, Andria­madison Haingotiana, nandritra ny fivoriana natao. Voafaritra nandritra izay koa ny vidim-bokatra handraisan’ny AVM ny vokatra. Horaisiny 140 000 Ar ny kilaon’ny lavanila maitso, 125 000 Ar ny kilaon’ny lavanila mena. Raisiny 70 000 Ar ny kilaon’ny lavanila vaky (cuts). Horaisin’ireo mpandraharaha mpanondrana 10 000 Ar/ kg ny lavanila maitson’ny tantsaha raha toa ka 5 000 Ar/ kg kosa izany ny lavanila maitso fohy.

Voatsinjara
Voafaritra nandritra ny dinika natao ny hitsinjarana ny lalam-bola. Ka “hatao hanatsarana ireo fotodrafitrasa, indrindra any amin’ireo faritra fanaovana lavanila ny 30%. Ampiasaina hitadiavana lalam-barotra sy hanomezana tantsoroka ho an’ireo mpisehatra ny 25% raha toa ka hatao tahiry hampihodinana ny AVM sy ny asa rehetra ny 5%”, hoy ny minisitra sady filohan’ny AVM. Voalaza fa natao hiarovana ny tombontsoan’
ny mpisehatra rehetra ireo fepetra noraisina. Marihina fa vaindohan-draharaham-panjakana ny handravana ny ampihimamba ny sehatry ny lavanila.

Henintsoa

Partager sur: