Anosibe : Mpanendaka roa lahy voasambotra

Nosamborin’ny polisy teo am-panaovana ny asa ratsiny ny mpanendaka roa lahy sarona tetsy Anosibe Tsena, ny alahady 14 jona teo. Vehivavy hamonjy tsena tamin’ny 6 ora maraina, narahin’ireo olon-dratsy. Nandrasan’izy roa lahy tamin’ny toerana mangingina, nokasainy horobaina io ramatoa io. Tetsy ankilany, nisy mpitandro filaminana avy eo anivon’ny boriborintany fahadimy (CSP5) nanara-maso teny amin’ny manodidina. Nahita ny fihetsika nataon’ireo mpanao ratsy ny mpitandro filaminana ka niditra an-tsehatra nanao ny asany. Nendahin’ireo mpandroba ilay vehivavy ary efa lasany ny poketra nisy ny vola tamin’io fotoana io. Tsy lasa alavitra, voasambotra ilay nahavanon-doza ka notanana. Lehilahy iray hafa nandray anjara ta­min’ny asa fanendahana io notazomina niaraka tamin’ilay tompon’antoka io. Hatolotra ny fampanoavana eny amin’ny fitsarana Anosy izy roa lahy ireo aorian’ ny fanadihadiana ataon’ny polisim-pirenena. Naverina tamin’ ny tompony ny poketra nendahin’izy mirahalahy.

Tsiferana R.

 

Partager sur: