Hivoaka amin’ity herinandro ity ny tetiandro amin’ny fikaonandoham-pirenena, raha tsy misy ny fiovana. Hitarika izany ny eo anivon’ny FFKM ary efa eo am-panomanana izany ireo tomponandraikitra rehetra, raha ny loharanom-baovao. Hanombohana izany ny fakan-kevitra momba ny fanatsarana ny fifidianana sy ny fanovana ireo rafitra tsy nahomby.
Nitondra am-bavaka ireo zanany efa nitana andraikitra na ireo mbola misahana izany eo anivon’ny fitondram-panjakana amin’izao fotoana izao ny eo anivon’ny FJKM. Notanterahina teny amin’ny FJKM Andrainarivo, ny alahady teo izany. Anisan’ny niatrika izany ny filoha teo aloha, Ravalomanana, Rakotovao Rivo, Rajerison Antoine…
Hotsarovana manokana ilay « Tsingerin-taona mainty » teny Ambohimalaza, ny 15 jona 2025. Hanamarika izany ny havan’ireo niharam-boina, amin’ity anio ity, noho ny 16 jona 2025 naha maro ireo maty tamin’izany. Nambaran’izy ireo fa hisy ny fametrahana fehezam-boninkazo sy fotoam-bavaka amin’izany.
Any Chine, nanomboka ny 9 hatramin’ny 17 jona izao, ireo delegasionin’ny Antenimierampirenena. Ahitana solombavambahoaka miisa dimy izany sy ny sekretera jeneraly lefitra eo anivon’ity andrimpanjakana ity. Nisy fihaonana tamin’ny tale misahana ny raharaha afrikanina, Rao Huihua, eo anivon’ny antoko PCC.




