Fitakiana ny « Iles éparses » : Manamafy ny fanohanany an’i Madagasikara i Rosia

Nankalaza ny andron’i Rosia ny teto Madagasikara, omaly. Nisongadina tamin’ny lahateny nifandimbiasana ny fanamafisan’i Rosia ny fanohanany an’i Madagasikara amin’ny lafiny maro. Anisan’izany ny fitakiana ny « Iles éparses ».

Toy ny fanao isan-taona, notanterahina teny amin’ny foiben’ny masoivohon’ny Rosia eto Madaga­sikara, eny Analamahitsy, ny fankalazana ny fetim-pirenen’izy ireo. Nitarika ny fotoana tamin’izany ny mpiraki-draharaha, miasa eto Madaga­sikara, Alexeï Buriak. Nanam­bara ity farany tamin’ny lahateny izay nataony fa manamafy ny fanohanany an’ny vahoaka malagasy amin’ny lafiny maro toy ny fahasala­ma­na, fanabeazana, fotodrafitrasa, fitrandrahana harena an-kibon’ny tany, Tafika, ary indrindra ny lafiny deplaomatika sy ny jeopolitika maneran-tany izy ireo. Mipetraka ho mpanohana an’i Madaga­sikara hatrany ry zareo mahakasika ny vondro-nosy Epar­ses.
Nisolo tena ny fitondram-panjakana malagasy, nitarika ny delegasionina ny praiminisitra lehiben’ny governemanta, Rajaonarison Mamitiana. Niara-dia taminy ny filohan’ny Antenimierampirenena, Ran­drianaso­loniaiko Siteny. Ni­ton­dra ny teny kosa ny lehiben’ny diplaomasia Malagasy, Alice N’Diaye. Ity farany izay nilaza fa latsa-paka sy mihamitombo ny fifampitokisana amin’ny firenena roa tonta. Nanom­boka ny 29 septambra 1972 izany mandraka ankehitriny. Manome toky ihany i Madagasikara fa mametraka ny fiaraha-miasa amin’ny tany roa tonta ho laharam-pahamehana. Indrindra amin’ny sehatra fitsinjovana ny andavanandron’ny Malagasy.
Marihina fa mandefa mpianatra malagasy miisa 30 isan-taona any aminy ny Rosia­nina. Amin’izao fotoana izao, anisan’ny vaindohan-draharahany manokana ny tafika sy ny harena an-kibon’ny tany. Maro rahateo ny mpitondra Malagasy no voaasa manokana tany Kremlin sy Moscow, nandritra izao andron’ny fanavaozana izao.

r.r

Partager sur: