Mivarina an-davaka !

 

Zava-dehibe ho an’i Madagasikara ny fahatanjahana ara-diplaomatika amin’izao fotoana izao. Mahita rirany tsara mihitsy ilay Nosy malalantsika amin’ny tandrefana sy ny tatsinanana, ary ireo elanelam-panahy efa mafy toto toy ny Brics. Tsy misy firenen-dehibe na iray aza, sahy manilika an’i Madagasikara intsony, amin’ny lafin’ny rehetra. Ny mifanohitra amin’izay aza no zava-misy. Mahazo tambitamby sy teny mamy ilay firenena.
Inona moa fa miara-dalana tsikelikely amin’izany ny fankatoavana ny fitondram-panjakana misy. Tsy misy resaka izay fanoganam-panjakana intsony izao. Ny sazy izany efa tsy handrenesam-peo intsony, ireo mpandrangaranga izany. Mitohy, toy ny tsy misy na inona na inona ny raharaham-pirenena. Ny fitokanana sy ny fametrahana tsangam-bato aza efa mandeha tahaka ny teo aloha ihany. Hamehezana azy : lasa ny lasa fa i Madagasikara, tsy maintsy mandroso.
Tiana asiana tsindrim-peo ka ilana fijerena akaiky anefa ny momba ny fikaonandoham-pirenena. Nankaiza ilay fanomanana ? Na ireto noheverina ho raiamandreny am-panahy aza toa mampiahiahy. Toa sadasada, tsy hita be ihany no andraisana azy. Tsy nisy nandrenesam-peo intsony izy mianakavy. Ny dinika hiarahana aza tsy misy akory mandraka izao. Tsy mahagaga, raha maro ny olona miteny fa tsy tokony ho ny FFKM ny filamatra amin’ny fitarihana ilay fihaonambe.
Ny manahirana tsy hay mazava intsony iza no azo itokisana eto amin’ny tanàna. Manao izay danin’ny kibony izay afaka manao izany. Manao ny vahoaka ho ambanin-javatra. Dinganin’ny tombontsoa azo noho ny anarana entina. Tsy mahagaga raha mahita faisana ilay firenena. Mi­andry vasoka lava ! Ny nantenain-kanirina no mampivandravandra. Ny nantenaina hitondra ny fanafody no mamorika antsokosoko. Mivarina tsikelikely any an-davaka.

r.r

Partager sur: