Nitohy omaly, teny amin’ny Havoria Anosy, ny andro faharoa eo amin’ny fihaonana narahina famelabelan-kevitra notarihin’ny avy ao amin’ny « Ecole d’état-major » (EEM) na ny sekoly ambonin’ny Tafika Malagasy. Ny lohahevitra « Foloalindahy miatrika ny ambana marolahy » hatrany no nifantohan’ny dinika. Anisan’ireo mbola namelabelatra manodidina ity lohahevitra ity ny minisitry ny Fiarovam-pirenena (MDN) teo aloha, ny Jly Rakotonirina Richard. Nambarany tao anatin’izany fa hoe: « mbola tsy foana ny ady fa miova endrika vaovao fotsiny ». Nohamafisiny, tamin’izany, fa misy mivoatra manaraka ny teknolojia ny ambana atrehin’ny Foloalindahy. Miova endrika vaovao ny ady ary tsy mbola foana tanteraka izany, raha ny nambarany. Tafiditra ao anatin’izany ny lafiny ara-ekonomika, ny angovo sy ny loharanon-karena stratejika, ny filazana sy/na fampitana vaovao tsy marina amin’ny alalan’ny tambajotran-tserasera samihafa. Izany rehetra izany, tafiditra ao anatin’ny fitaovam-piadiana manohintohina ny fiainam-pirenena. Nanaitra ny fanjakana sy ny Foloalindahy ity manamboninahitra ity fa mila fanairana stratejika hiatrehana izany ambana marolafy izany. Nosy rahateo i Madagasikara sady midadasika ny morontsiraka, ka tokony ho jerena manokana ny ady amin’ny fanondranana ny harem-pirenena. Eo koa ny fanodinkodinana ny saim-bahoaka. Tanjona amin’ izao fihaonana izao ny hamolavolana paikady sy vahaolana hanamafisana ny fiarovana ny fiandrianam-pirenen’i Madagasikara manoloana ireo ambana samihafa, na mivantana izany na ankolaka.
Jean Claude




