Andriantsizehena Benja Urbain: “Tokony hofoanana ny kandidà tsy miankina”

“Tena hamafisina: tokony hofoanana ny kandidà tsy miankina amin’ny fifidianana. Manomboka any amin’ny fokontany sy ny kaominina ary ny fifidianana solombavambahoaka izay”. Io ny fanehoan-kevitry ny filoha nasionalin’ny RPSD, Andriantsizehena Benja Urbain, ny amin’ny hiatrehana fifidianana manaraka eo. Tsy voafehy ny olom-boafidy avy amin’ny tsy miankina. Eo koa ny fiovaovan’ny hoe maro anisa eny anivon’ny Antenimierampirenena: voafidy amin’ny anaran’ny tsy miankina, ohatra, miditra amin’ny vondrona parlemanteran’ny antokon’ny fitondrana. Tsy mety izany.
Tsy manana filohan’ny Repoblika voafidy tamin’ny anaran’ny tsy miankina i Madagasikara. Na voafidy tamin’ny anaran’ny antoko politika na vondrona antoko politika ny filohan’ny Repo­blika. Tokony hitovy amin’izay avokoa ny rehetra amin’ny fifidianana misy eto amin’ny tany sy ny fanjakana amin’ny Repoblika V. Manohana ny hoe tokony hofidina ny filoham-pokontany ny antoko. Na izany aza, aleo aloha hipoitra any amin’ny fikaonandoham-pirenena ny amin’izay. Tsy mbola fantatra hoe fitsapankevi-bahoaka sa fifidianana no hatao amin’ny lalàmpanorenana vaovao. “Tsy manana kandidà izahay amin’ny fifidianana filohan’ny Repoblika, fa hanolotra sy hanohana olona”, hoy izy ny amin’ny fifidianana filohan’ny Repoblika.

R. Nd.

Partager sur: