Fiaraha-miasa amin’ny Rosianina : Nanamafy ny traikefa ny vondron-kery eny Mahazoarivo

Nifarana omaly ny fiofanan’ireo folo mirahalahy eo anivon’ny vondron-kery eny amin’ny Primatiora (BSP) Mahazoarivo. Vokatry ny fiaraha-miasa amin-dry zareo Rosianina izany.

Nambaran’ny Praimi­ni­sitra Rajaona­rison Ma­mi­tiana fa ma­me­traka ho zava-dehibe ny fanofanana hanatevenana traikefa sy ny fampitaovana ireo miaramila sy zandary ary polisy eo anivon’ny BSP ny tenany. Ni­tondra ny traikefany sy nampiofana azy 10 mirahalahy, nandritra ny enina herinandro, ny avy amin’ny Tafika Rosia­nina. Anisan’ny nifantohan’ny fanofanana ny fomba fikirakirana fitaovam-piadiana, ny haiady ary ny fampiharana paikady manokana amin’ny tranga miseho tampoka.
« Taratry ny fahamatoran’ ny fiaraha-miasa eo amin’i Madagasikara sy ny Fede­rasionan’i Rosia ny nahavitan’izao fiofanan’izy folo mirahalahy izao. Santionany ihany amin’ireo fiaraha-miasa ara-tafika », hoy ny lehibe’ny governemanta. Nanteriny fa fiofanana avo lenta no natao, ka ezahina ny hanohizana sy hampitomboana izany. Na izany aza, notsindriny fa tsy ny eo amin’ny lafiny ara-tafika sy ny fiarovana ihany ny fiaraha-miasa. Misandrahaka amin’ny sehatra maro ny fifandraisana eo amin’ny firenena roa tonta, araka ny nambarany. Nana­mafy izany ny mpiraki-draharaha Rosiana, i Buriak Alexeï, fa fanombohan’ny fiaraha-miasa ihany izao fanofanana ara-miaramila natao izao.

Fampitaovana ny BSP

Etsy andaniny, nitodika manokana amin’ny BSP ny Praiminisitra ary nilaza fa hohafainganina, ny fampitaovana sy ny fanomezana fitafiana vaovao amin’ity vondron-kery manokana ity ka hisahana ny fiantohana izany ny eo anivon’ny Primatiora.
Tsiahivina fa anisan’ny niatrika izao famaranana ny fiofanana izao ny lehiben’ny Etamazaoron’ireo Tafika sy ireo tomponandraikitra isan-tsokajiny ao amin’ny BSP ary ny tomponandraikitra sivily eo anivon’ny Primatiora.

Synèse R.

Partager sur: