TSELATRA

Napetraka omaly, teny Ambohimalaza, eo amin’ ny faritry ny tanin’ny Frère Capucin, ny Tsangambato fahatsiarovana, vonjimaika, ireo olona namoy ny ainy nandritra ny fankalazana tsingerin-taona mainty teny Ambo­himalaza. Nahatratra 35 ireo tanora maty tamin’izany. Nisy ny fotoam-pivavahana nampaherezana ireo ray aman-dreny sy fianakavian’ny maty sy narary, omaly, teny an-toerana.
Tokantrano iray notafihin’ny jiolahy mirongo fitaovam-piadiana tany Savasahona, kaominina an-drenivohitra Ankabahaba, disitrikan’i Betafo, Faritra Vaki­nankaratra, ny alin’ny 15 hifoha omaly 16 jona teo. Maty voatifitra teo amin’ny lohany ny raim-pianakaviana iray 60 taona. Voaroba ny vola rehetra tao an-trano.

Partager sur: