Nanolotra fanampiana, ahitana sakafo sy fanafody vita avy any Egypta, ny Repoblika arabo-egyptianina, omaly, teny Andrainarivo. Tamin’ny alalan’ny masoivohony eto amintsika, Rabab Said Abdou Abdelhadi, no nanatanterahana izany.
Naterina eny amin’ny BNGRC avokoa ireo fanampiana milanja 6t mahery ka ny tomponandraikitra ao no hitsinjara azy ho an’ireo olona mbola marefo vokatry ny fandalovan’ny rivodoza Gezani tany amin’ny ilany atsinanan’ny Nosy. “Miditra amin’ny fiaraha-miasa amin’ny fampihenana ny loza sy ny tandindon-doza ny fitantanana izany ho an’ny firenena aty Afrika”, hoy ny masoivoho egyptianina. Mbola mitohy ny tohana entin’ny BNGRC, araka ny tatitra miainga avy amin’ny kaominina sy ny prefektiora ka ho an’ireo mbola marefo tsy tafarina ny sakafo (siramamy, menaka, voamaina, koba, ronono, pâte…). “Natao araka ny fepetra sy ny rafitra voafaritra mialoha ny fitsinjarana ny tosika. Fanohanana azo taorian’ny antso iraisam-pirenena nataon’ny fitondrana malagasy izao”, hoy ny tale jeneralin’ny BNGRC, jeneraly Ramanantsoa Gabriel.
Ny Unité de coordination pour la reconstruction de Toamasina no misahana ny paikady fanarenana ny tanànan’i Toamasina fa ny BNGRC kosa no mitondra ny tohana miaraka amin’ny Unité ary mandrindra ankapobeny ny tohana azo rehetra avy amin’ny mpiray ombon’antoka eto an-toerana sy avy any ivelany.
Mpanohana an’i Madagasikara tsy tapaka i Egypta rehefa misy voina tahaka izao, toy ny tamin’ny fandalovan’ny rivodoza Batsirai sy Emnati, ny taona 2022. Nanome tohana sakafo koa izy ireo tamin’izay. « 50 taona nifanohanana i Madagasikara sy Egypta ary mbola mitohy hatramin’izao », hoy ny talen’ny kabinetran’ny minisiteran’ny Atitany sy ny fitsinjaram-pahefana. Niteraka olana ara-tsakafo ny fandalovan’ny rivodoza Gezani tany Atsinanana, indrindra ho an’i Tomasina II, satria rava avokoa ny voly ka ahina ny tsy fanjarian-tsakafo mahery vaika. Tsara fahatongavana ny fanampiana izay nanainga ho any Toamasina avy hatrany, omaly ihany.
Vonjy




