Sehatra fandefasana vola ho an’ny tokantrano marefo mila tohana sy ireo niharam-boina ny Cash Working Group. Hiara-kitarika izany ny Pam sy ny Unicef, miampy ny BNGRC sy ny minisiteran’ny Mponina.
Natao omaly, teny Ankorondrano, ny famindran’ asa fitarihana iombonana sy fitantanana eo amin’ny Unicef sy ny Pam mahakasika ny Cash Working Group (CWG). Sehatra fandefasana vola amin’ny alalan’ny finday izay zaraina amin’ireo sokajin’olona marefo sy mila tohana noho ny voina nihatra ny CWG.
Nohatsaraina ny fandrindrana ary kendrena ny hahafahana mijery ny fitoviana eo amin’ny fanatanterahana ireo fandaharanasa atao. Jerena izany na amin’ny fiahiana sosialy mitohy na ny famaliana ny vonjy voina nateraky ny loza voajanahary.
Voakasiky ny CWG ireo sehatra rehetra eo amin’ny fanjakana sy eo amin’ny mpamatsy vola sy fiarahamonim-pirenena izay manao ny fizaram-bola. Ho fanatsarana fivelomana ny tokantrano marefo no antony.
Tao anatin’ny 5 taona, ny Unicef no nitarika ny Cash Working Group. Iarahana amin’ny Pam, ny minisiteran’ny Mponina ary ny BNGRC indray ny fitarihana izany, manomboka izao.
Iaraha-midinika avokoa ny fandrindran’asa eo amin’ny fifandraisana, ny fanatsarana, ny fanaovana jery todika ary ny sandam-bola hozaraina amin’ny fanarenana, mba tsy hisian’ny olana eo amin’ny samy mpisitraka. “Hahafahana mandinika ny fandaharanasa tsaratsara kokoa itambarana, azo atao amin’ireo tokantrano marefo sy niharan’ny loza izany”, hoy ny sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Mponina sy ny firaisankina, Rakotonirina Miarisoa Patricia.
Nahitam-bokatra tsara sy nahomby ny CWG tamin’ny fizarana vola fanarenana ireo tokantrano marefo nampiharina teto Madagasikara. Anisan’ izany ny fandaharanasa Tosika fameno nandritra ny Covid-19 sy ny tranga El nino ny taona 2021-2022. Teo koa ny fanampiana nandritra ny haintany miverimberina any atsimo sy ny fandalovan’ny rivodoza nifanesy…
Tatiana A




