10 taona nitoriana an-kira ny evanjely sy nampahafantarana ny aim-panahy karmelita ny eo anivon’ny Chapelle musicale Voix du Carmel. Hanamarika izany izy ireo amin’ity taona ity.
Anisan’ny fikambanana Masina iray ao anatin’ny fianakaviamben’ny karmely, manaja manokana an’i Masina Maria mpanjakavavin’ny karmely izy ireo. Antom-pisiany ny fitoriana an-kira ny evanjely sy fampahafantarana ny aim-panahy karmelita, miainga amin’ny asa soratr’ireo olomasin-dehiben’ny karmely, toa an’i Masimbavy Terezin’i Jesoa Zazakely, Masimbavy Terezy tao Avilla, Masimbavy Elisabeth de la Trinité sy Masindahy Jean de la Croix.
Tsangambaton’izao faha-10 taonan’ny fikambanana izao ny nahavitan’ny “Studio d’enregistrement” an’ny Chapelle musicale Voix du Carmel, eny Itaosy. Manana ny mampiavaka azy amin’ny antoko mpihira mahazatra izy ireo. Anisan’izany ny fiavian’ireo mpikambana ao aminy. Avy amina paroasy samihafa, toy ny eto Antananarivo sy Antsirabe, Moramanga ary Arivonimamo. Miara-miasa amin’ny fiangonana eo anivon’ny FFKM koa ny Chapelle usicale Voix du Carmel. Manampy amin’ny hetsika fitadiavam-bolan’ny fikambanana Masina na vaomieran’asa eny anivon’ny fiangonana koa izy ireo.
Seho « Vivre d’amour »
Manampy izany ny fitetezam-paritra, toy ny tany Antsirabe, Fianarantsoa, Morondava, Moramanga. Maro koa ny paroasy nanatanterahana ny fitoriana an-kira. Tsy voatery ho mpihira akory ny mpikambana ao amin’ny Chapelle musicale Voix du Carmel. Misy ny manana andraikitra hafa, toy ny mpitendry zavamaneno, mpandihy, ny miandraikitra ny serasera sy fifandraisana ary ny fakana sary.
Tafiditra amin’izao tsingerintaona fahafolo ho azy ireo izao ny «Concert spirituel», nampitondraina ny lohateny: “Vivre d’amour”. Hotanterahina ny alahady 28 jona, eny amin’ny Ekar Saint Joseph Anatihazo izany.
HaRy Razafindrakoto




