PAM sy BNGRC Hamafisina ny fandrindrana ny asa fiomanana

Notanterahina omaly, teny amin’ny foiben-toeran’ny Fan­daharanasan’ny Firenena mi­kambana momba ny sakafo (Pam), ny fanaovan-tsonia ny drafitrasa iarahany amin’ny BNGRC mandritra ny taona 2026- 2027. « Raha zohina ny zava-misy, miha mahery vaika ny rivodoza mandalo eto Ma­dagasikara. Mbola mahazo vahana ny haintany any atsimon’ny Nosy ka mamparefo ny tokantrano maro », hoy ny solontenan’ny Pam eto Mada­gasikara, i Tania Goossens.
Hifototra amin’ny zavatra efatra ny fiaraha-miasan’ny roa tonta. Ny fanamafisana ny fandrindrana ny asa fiomanana sy fitondrana vahaolana aorian’ny fandalovan’ny voina, ny fitantanana ny loza sy ny tandindon-doza. Eo koa ny fanatsarana ny fahaiza-ma­naon’ireo mpiantsehatra. Ani­san’ny sehatra vaovao tafiditra amin’ny fiaraha-miasa koa ny fiarahana miombon’antoka amin’ny sehatra tsy miankina sy ny oniversite maro, araka ny nambaran’ny tale jene­ralin’ny BNGRC, jeneraly Ramanantsoa Gabriel.
Hamaly ny vina mifandraika amin’ny fiovan’ny toetr’
andro sy ny tanjaky ny loza voajanahary miseho eto amin­tsika ny drafitrasa napetraka. Tanjo­na ny hamonjy aina, hiaro ny fiharian’ny vahoaka ary hanamafy ny fahafahana miarina aorian’ny fandalovan’ ny voina.
Nandritra ny hetsika, omaly, koa no nanatontosana ny famindram-pitantanana ny Hub logistique humanitaire ao Manakara. Niarahana tamin’ny Vondrona eoropeanina ny fametrahana izany fotodrafitrasa lehibe izany.

Vonjy

Partager sur: