Fanatsarana ny fandriampahalemana: 52 tapitrisa dolara lany tao anatin’ny 10 taona

Feno 10 taona ny Tahirin’ny Firenena mikambana ho an’ny fanamafisana ny fandriampahalemana eto Madagasikara (PBF). Fiaraha-miasan’ny sampandraharahan’ny Firenena mikambana maromaro (Pnud, OIM, Unicef, Unesco) izy ity.

10 taona niantsehatra tany amin’ny tapany atsimon’ny Nosy sy amin’ny faritra hafa ny PBF. Voakasika manokana ny lohahevitra dina, tsy fandriampahalemana, tanora ary ny vehivavy. Betsaka ny traikefa azo teny ifotony sy ny fifanakalozana tamin’ny mpiantsehatra rehetra. Naravina ao anaty boky iray « Tisser la paix » izany. Nampahafantarina tamin’ity herinandro ity, teny amin’ny Musée de la photographie Andohalo, ity farany.
« Ndao isika handrary ny fandriampahalemana » ny fotokevitra ijoroan’ny PBF. Mila miray hina, araka izany, ny mpiray ombon’antoka rehetra, toy ny tanora, ny firaisamonim-pirenena, ny fanjakana. Tanjona ny hahafahana manjaitra zavatra matanjaka sy mavesatra ary tsara voatra. Maro be ny tanora lasa sahy miseho sehatra vokatry ny fiofanana nisitrahin’izy ireo, araka ny fanazavan’ny ma­nampahaizana eo anivon’ny sekretera teknika ao amin’ny PBF, Ratovonirina Mario.

52 tapitrisa dolara

Mahatratra 4 100 ny tanora nofanina ho tonga mpitarika eny anivon’ny oniversite teto Antananarivo, Toamasina, ary Toliara. 89% ny mpianatra no nahatsapa fa nihena ny disadisa sy ny fifandirana teny amin’ny toeram-pianarana noho ny fisian’ny sehatra fifanakalozana nahafahana nisoroka ny korontana. “Fandaha­ranasa miisa 24 no notanterahina teto Madaga­sikara, nandritra ny 10 taona. Nam­piasana sora-bola mitentina 52 tapitrisa dolara”, hoy ny mpandrindra ny sampandraharahan’ny Firenena mikambana eto Madagasikara, Anthony Ngororano.
Nihatsara ny fandriampahalemana amin’ny toerana niasan’ny fandaharanasa vo­katry ny fifandrombonan’ny mpiantsehatra rehetra. Ani­san’izany ny toerana manodidina ny tendrombohitr’Andriry, ao amin’ny distrikan’i Betroka, izay toerana nanjakan’ny dahalo teo aloha. Rehefa niditra an-tsehatra ny mpitandro filaminana nampandry fahalemana ny tanàna, niverina ny fitokisan’ny vahoaka ny fanjakana ary nisy ny fifanakalozana teo amin’ny roa tonta.

Vonjy A.

Partager sur: