Misongadina amin’ny maro. Nahazo ny mari-pankasitrahana fara tampony noho ny filofosany amin’ny mozika i Ilo Rakoto, mpiangaly piano, teratany malagasy.
Nandingana tsikelikely ny zana-tohatra rehetra. Vaovao lehibe, kanefa tsy nahagaga ihany koa satria tena mendrika ho an’i Ilo Rakoto ny nahazoany ny medaly volamena avy amin’ny Académie Arts-Sciences-Lettres any France. Mariboninahitra manokana, natao ho an’ireo tena misongadina izany, ka mampamirapiratra ny zavakanto manerana izao tontolo izao. Nisy fianarana, fikarohana ary asa marobe no nitambatra tao vao tonga amin’izay fanapahan-kevitra izay ny komity.
Vao 15 taona i Ilo Rakoto no nahazo ny laharana voalohany tamin’ny fifaninanam-pirenena amin’ny fitendrena piano, ny taona 2018. Ny Madagascar Mozarteum no nikarakara izany, izay nanokatra ny lalan’ity mpanakanto ity amin’ny fandalinana bebe kokoa. Tafiditra ho mpandalina tao amin’ny Ecole Normale de Musique Alfred Cortot ao Paris mantsy izy. Anisan’ireo mpiofana teo ambany fiahian’i Marian Rybicki, mpampianatra fanta-daza maneran-tany. Nahazo ireo diplaoma rehetra, hatramin’ ny «Artist Diploma», izay fara tampony indrindra ao amin’ity toeram-piofanana ho an’ny mozika klasika ity izy.
Niara-dalana tamin’izay fianarana izay, niaka-tsehatra matetika ihany koa i Ilo Rakoto. Anisan’ny voafehiny ireo sanganasan-dry Bach, Chopin, Liszt, Debussy ary Poulenc.
Tsy an’i Ilo Rakoto irery fa an’ny Malagasy manontolo ity mariboninahitra fara tampony ity. Mirehareha ny tontolon’ny zavakanto malagasy manana azy. Manana mpandimby azo antoka ihany koa ny tontolon’ny fampianarana mozika klasika, aorian’izao.
Zo ny Aina




