Notolorana mari-pankasitrahana manokana i Darya Poleschuk. Mpitendry piano rosianina, tonga nizara ny fahaiza-manaony sy ny traikefany tamin’ireo mpampianatra sy mpianatry ny Akademiam-pirenena misahana ny zavakanto sy ny kolontsaina na ny Anac izy. Manan-talenta, indrindra amin’ny mozika klasika ity mpanakanto ity, ka hanampy amin’ny fivelaran’ireo mpanakanto mpianatra eto Madagasikara aoriana kely ny fifampizarana toa izao. Narahina fampisehoana niarahana ny fotoana.
50 taona niseharana tanatin’ny tontolon’ny saripika i Pierrot Men. Angamba anarana malaza indrindra maneran-tany amin’ity sehatra ity, ka hahafantarana an’i Madagasikara izy. Rariny raha toa ka tonga nanotrona ny fanokafana ny fampirantiana ataony ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina, Mandrindrarivony Gascar Fenosoa, ny sabotsy teo, tetsy amin’ny Hakanto Contemporary Ankadimbahoaka. «Fofon’aina», lohahevitra mahafoaka be, misarika fironana eo am-pigohana ny hakanton’ireo sanganasany, satria tsy saripika ihany fa hatramina hosodoko efa nandalovan’ity mpanakanto ity.
«Ultimate Show», nampivondrona indray ireo mpankafy rock. Toerana hafa, revy hafa indray ny tetsy amin’ny Barea Mahamasina, omaly. Tafaraka tamina seho iray ry Mage 4, Iraimbilanja ary ry Reg & The Gang. Tarika 3 samy manana ny reviny, fa atambatry ny fironana amin’ny mozika rock. Toraka izany koa ireo mpankafy namaly ny antso, na somary vitsivitsy aza teny am-panombohana, tonga ihany ireo tena mpiondana.




