«Fanakorontanana ny fiarahamonina sy ny fitondram-panjakana ny trangana famonoana olona misy eto amin’ny firenena», hoy i Be-Rija Ravelomanantsoa, raha nanao fanambarana tao anaty tambajotran-tserasera izy, omaly. «Aparitaka amin’ny tambajotran-tserasera izany mba hoentina maneho fa tsy mahaaro ny vahoakany ny mpitondra», hoy izy. Efa misy ny ezaka ataon’ny fanjakana, ahafahana mamaha ny olan’ ny vahoaka. Toy ny olan’ny lalana, ny mpiasa tsy miankina sy ny maro hafa. Nohamafisiny fa misy andiana mpanao politika, tsy faly sy tsy afa-po amin’ny ezaky ny fitondrana misy amin’izao ka mampiasa endrika fampihorohoroana sy famonoana olona, hoentina maka fahefana indray. Miantso ny fitondrana ny tenany ho mailo amin’ny fiaraha-miasa amin’ny olon’ny forongony sy izay manohitra ny fampandrosoana rehetra. Marihina fa tao anatin’ny enim-bolana, nahatratra 172 ireo zaza very manerana ny Nosy.
Mino




