Nikasa hanafika sy nitifitr’olona : Jiolahy iray lavon’ny balan’ny zandary

Nirefodrefotra ny basy tany amin’ny fokontany Vo­himary, kaominina ambanivohitra Andiolava, afakomaly maraina, tamin’ny 8 ora latsaka fahefany. Lavon’ny balan’ny zandary sy ny Tafika, ny jiolahy raindahiny amin’ny asa fanafihana mitam-piadiana. Niditra an-keriny tao amin’ny tokantranon’olona iray tany an-toerana ny jiolahy miisa roa. Notifirin’izy ireo tamin’ny basy ny raim-pianakaviana manodidina ny 60 taona, tao an-trano, vantany vao tafiditra izy ireo. Vokany, naratra mafy ity farany noho ny tifitra nahazo azy. Lasa nitsoaka ireo olon-dratsy taorian’izay, ary tsy naka na inona na inona tao amin’ilay tokantrano. Nam­pandre ny mpitandro filaminana tany an-toerana ny fianakaviana sy ny fokonolona taorian’izay. Tonga ara-potoana ireto farany ka niroso tamin’ny fanenjehana ireo olon-dratsy izay efa nanao tari-dositra. Nentina nihazo ny tobim-pahasalamana ao Ihosy ilay rangahy naratra ary efa nahazo ny fitsaboana sahazy azy. Nifanampy nanao ny fanarahan-dia ny zandary avy amin’ ny tobim-paritra Andiolavo sy ny Tafika malagasy avy ao amin’ny Bataillon Ihosy ary ny fokonolona. Tratra tao amin’ny toerana antsoina hoe: Isety, fokontany Vatambe Nana­rena, kaominina Andiolava ireo jiolahy io andro io ihany, tamin’ny 1 ora sy 15 min atoandro. Raikitra ny fifandonana ary voatifitry ny mpitandro filaminana ny lehilahy iray 28 taona, iray tamin’ireo dahalo. Hita teny aminy ny basim-borona iray fampiasany amin’ ny asa ratsy. Tafaporitsaka ny namany iray ary mbola mitohy ny fikarohana. Misahana ny fanadihadiana ny zandarimariam-pirenena avy ao amin’ny tobim-paritra Andiolavo.

Mino

Partager sur: