VAOVAO TAMBATRA

Nitombo avo roa heny ny Cacao naondran’i Madagasikara tao anatin’ny 9 taona. Tafakatra 14 000 taonina (t) izany amin’izao raha toa ka 7 000 t ny taona 2016. Mihoatra ny 100 tapitrisa dolara isan-taon ihany koa ny vola niditra tamin’ny kitapombolam-panjakana. Niakatra 40 000 Ar ny kg ny vokatra teny amin’ny tantsaha nandritra io vanim-potoana io, raha 1 500 Ar monja izany teo aloha. Tao anatin’izay, voasokajy ho “Fine or Flavor Cocoa” ny vokatra malagasy.

Tafiditra ho anisan’ny toerana 9 tsara ho an’ny World Travel Awards 2026 i Madagasikara. Hetsika heverina ho iray amin’ireo goavana indrindra amin’ny sehatry ny fizahantany maneran-tany, antsoina hoe “Oscars du tourisme”. Sokajy sivy no hifaninanantsika. Hasongadina manokana ireo harena voajanahary, ny tontolo mampiavaka ny Nosy malagasy ary ny morontsirak’i Madagasikara. Misokatra hatramin’ny 7 aogositra ny fifidianana, ahafahana mandatsa-bato hanohanana an’i Madagasikara.

Nivoitra nandritra ny diniky ny fanjakana sy ny sehatra tsy miankina ny paikady vaovao sy maharitra ho an’ny fampandrosoana ny toekarena ao amin’ny faritra Anôsy. Tanjon’ny roa tonta ny hanatsarana ny tontolon’ny fandraharahana sy ny fampiasam-bola eo an-toerana. Samy naneho ny hetahetany sy ny fomba fijeriny hoentina manatsara ny tontolon’ny asa sy ny fandraharahana ny rehetra.

Partager sur: