Airtel-SpaceX : Azo ifandraisana any amin’ny toerana rehetra

Mpandraharaha amin’ny fifandraisan-davitra voalohany eto Madagasikara, mampiasa ny teknolojia Direct-to-Cell, ny Airtel Madagasikara. Miara-miasa amin’ny orinasa Spa­ceX. Zava-baovao ifandraisana amin’ny finday Smartphone 4G, amin’ny alalan’ny zana-bolana, raha sendra toerana mitoka-monina tsy misy tambajotra an-tanety, izy io. Ifandraisana amin’ny alalan’ny vidéo amin’ny Whatsapp.
Nahomby ny andrana natao tany amin’ny kaominina Sadabe, distrika Manjakan­dria­na, ny 11 jolay teo. Fo­toana natrehin’ny minisitry ny Fampiroboroboana ny niomerika, ny paositra ary ny fifandraisan-davitra (MDNPT), ny solontenan’ny Birao misahana ny loza voajanahary (BNGRC), ny Antokondraharaha mandrindra ny teknolojia sy ny fifandraisan-davitra (Artec) ary ny avy ao amin’ny Airtel sy ny SpaceX. Naseho mivantana ny fifandraisan-davitra, ny resaka sy ny sary, ary azo nampiasaina ny tambajotra Youtube sy ny Facebook.

Ilaina amin’ny fotoan-tsarotra
Sahaza tsara an’i Mada­gasikara ity teknolojia Direct-To-Cell ity satria mbola maro ny toerana mitoka-monina tsy ahitana tambajotra fifandraisan-davitra. Azo am­piasaina amin’ny lafiny maro, raha sendra fotoan-tsarotra na misy loza voajanahary, ny fifandraisana amin’ny tomponandraiki-panjakana, ny lafiny vonjy aina, sns. Nilaza ny tale jeneraly Airtel Madagasikara, An­ne Catherine Tchokonté, fa « manova endrika ny tontolon’ny fifandraisan-davitra ny fisian’ity teknolojia ity, izay ho tombontsoan’ny Malagasy rehetra ».

Njaka A.

Partager sur: