Tsy misy fetra ny habetsahan’ny solika azo vidina raha arotsaka mivantana ao anaty « réservoir » an’ny fiara. Marihina fa nametra ho 100 litatra isan’andro, isaky ny mpividy ny ny lasantsy sy gazoala azo vidina ao anaty fitoeran-tsolika azo entina, ny Office malgache des hydrocarbures (OMH). Fepetra mihatra avy hatrany, manerana ny Nosy, hiantohana ny lafiny teknika sy fiarovana ny toekarena.
Izany hoe, natao hiantohana ny filaminan’ny famatsiana, ny fiarovana ary ny fanajana ny rafitra mifehy ny fivarotana solika ity fepetra ity, raha ny fanazavana voaray. Nilaza ny Sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Angovo sy ny akoranafo, Dr Rakotonandrasana Adolphe, fa « misy amin’ireo mpandraharaha no mitondra conteneur mobile mahazaka hatramin’ny 25 000 litatra ka mameno izany eny amin’ny tobin-tsolika ». Fihetsika manelingelina ny mpanjifa hafa sy mety handrisika ny fivarotana solika amin’ny vidiny ambony kokoa any amin’ireo faritra lavitra sy manana tobin-tsolika tokana izany. Tanjona, araka izany, ny hiadiana amin’ireo fomba fanao izay manodina ny tena andraikitry ny tobin-tsolika.
Ankilany, nampitandrina amin’ny lafiny fiarovana ihany koa ny Tale misahana ny akoranafo sy ny vokatra avy aminy, Razafindratsara Jean Noël. Nambarany fa natao hamenoana ny « réservoir » an’ny fiara izay eo amin’ny haavon’ny valahan’ny mpameno solika ny paompy. Arotsaka avy eo an-tampony kosa izany ho an’ny « citerne mobile » plastika. Mety hiteraka « courant électrostatique », hoy izy, ny fitotonan’ny solika avy eny ambony, midina anaty plastika ka mampitombo ny ambana amin’ny hisian’ny loza. Notohizany fa tsy natao hanaovana famindrana solika mitohy lavareny amin’ny habetsahana be lavitra noho ny famenoana « réservoir » an’ny fiara ny tobin-tsolika, izay mety hanimba fitaovana sy hanapaka ny tolotra.
Rafitra ara-toekarena
Natao ho an’ny varotra antsijarany ny solika hamidy eny amin’ny tobin-tsolika. Noho izany, « Tokony hanao fifanarahana mivantana amin’ireo mpaninjara ireo mpanjifa mividy solika betsaka. Rehefa mividy eny amin’ny Station-service nefa ireo mpanjifa lehibe dia mivily amin’io rafitra io, ka miteraka vesatra ara-bola ho an’ny Fanjakana ary manodina ny tanjon’ny rafitra natao hiarovana ny mpanjifa tsotra », hoy ny tale jeneraly mpisolo toerana anivon’ny OMH, Rivonjaka Odilon. Noho izany, tsy vokatry ny tsy fahampian’ny solika na ny tahiry ny fepetra noraisina. Natao izany mba hampiasana araka ny tokony ho izy ny tobin-tsolika, hanajana ny rafitra ara-toekarena sy ara-dalàna mifehy ny fivarotana solika.
Henintsoa




