Fotodrafitrasa an-tsekoly: Manova ny fiainan’ny mpianatra

Miisa 27 ireo sekoly manaraka ny fandaharanasa fitaratra, « Mianatra », tarihin’ny Vara Mada, iarahana amin’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena sy ny Global Communities. Tetikasa izay haharitra 14 volana. Famatsiam-bola mitentina hatrany amin’ny 1,3 tapitrisa dolara. Tanjona ny hanova sy hanatsara ny tontolon’ny fanabeazana amin’ny alalan’ny fanomezana tohana ara-tsakafo sy fotodrafitrasa mamaly ny filan’ny mpianatra. Anisan’izany ny fanavaozana ny lakozia, ny fisitrahana rano madio fisotro ary ny fananganana toerana hitobian’entana. « Kendrena manokana ny hanome tontolo tsara voatra, ahafahan’ny ankizy misitraka ny fanabeazana ara-kalitao », hoy ny solontenan’ny Vara Mada. Nambaran’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena kosa fa: “mamaly mivantana ny filan’ny sekoly ao an-toerana ny tetikasa”. Manodidina ny 80 000 ny olona misitraka azy io. Ao anatin’izany ny mpianatra ao amin’ny ambaratonga fototra miisa 10 000, ny fianakaviany, ny mpampianatra ary ireo tantsaha ao an-toerana. Voakasik’izany koa ireo sekoly ao Tsianisiha, Maromiandra, Belalanda ary Toliara I. Mbola am-pandinihana ny handraisana azy ao anatin’ny fandaharanasa kosa ny sekoly miisa valo hafa. Ankilany, mikasa hanitatra ilay tetikasa sy hanamafy ny fiaraha-miasa amin’ireo tantsaha any an-toerana ny Energy Fuels, mba hiantohana ny famatsiana maharitra ireo trano fisakafoana eny an-tsekoly.

Henintsoa

Partager sur: