Natolotra ny fampanoavana, afakomaly, ilay vehivavy 31 taona, nisandoka sy nilaza ho mahafaka fanadinana BEPC tetsy amin’ny CEG Anosibe. Naiditra vonjimaika eny amin’ny fonjan’Antanimora ny tenany, taorian’izay. Naharenesana fitarainana mahakasika ny filazana sy fisandohana fa mahafaka fanadinana BEPC ny tenany. Tonga teny anivon’ny biraon’ ny Kaomisaria boriborintany fahefatra etsy Mahamasina, ny solontenan’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena, ny alarobia 08 jolay 2026 teo. Voalaza tamin’izany fa nanome laharana finday ho an’ireo mpianatra nanala fanadinana izy ary nitaky vola 100 000 Ariary ho sandan’izany. Natao ny fikarohana azy ary voasambotra tetsy akaikin’ny farmasia Volahanta Anosibe ny tenany, tamin’io andro io, tokony ho tamin’ny 4 ora hariva, taorian’ny fanadihadiana nataon’ny mpitandro filaminana. Nentina nohadihadiana teny amin’ny biraon’ny polisy ny tenany ary izao naiditra vonjimaika am-ponja izao. Entanina ny rehetra hahasahy hitoroka ireo mpanakorontana saim-bahoaka amin’ny hosoka sy fitaka isan-karazany manodidina ireo fanadinam-panjakana.
Mino




