VAOVAO TAMBATRA

Hatao ny 16 jolay ho avy izao, etsy amin’ny efitrano FJKM Anosizato sy ny 17 jolay, etsy amin’ny Kianja mitafo Mahamasina ny fakan-kevitra am-pahibemaso momba ny tetikasa Fly Over hatsangana eny Anosizato. Dingana mahakasika ny fahazoan-dalana ara-tontolo iainana, omen’ny ONE izany. Hanatanteraka ny fananganana ity fotodrafitrasa ity ny orinasa CGC.

Mahatratra 45% ny fandrosoan’ny asa fanamboarana ny tetezana Mangoky, mandalo amin’ny lalam-pirenena RN9. Efa vita ny andry 5 (P1, P2, P3, P4 ary P10). Eo am-panomanana handrarahana simenitra ny P5 sy P12. Maharitra 45 volana ny asa, ataon’ny orinasa CRCC, ary kasaina ho vita amin’ny mey 2027. Mirefy 875 metatra ity tetezana ity, izay ho lava indrindra eto Madagasikara. 810 metatra ny any Sofia, lava indrindra hatramin’izao. Mamatsy vola ny fanatanterahana azy, ny Badea, ny FKDEA, ny FSD ary ny Ofid.

Hamafisina ny fahaiza-manaon’ireo mpisehatra amin’ny tetikasa vatsian’ny Bad vola. Anisan’izany ny fampahalalana ny lalàna sy ny fitsipika, ny fanatsarana ny fanomanana sy ny fitantanana ny tsenambarotra, ny fametrahana ny mangarahara, ny fahitsiana (SPME). Mikarakara azy ny Fahefana mpandrindra ny tsenambaro-panjakana (ARMP) sy ny Banky afrikanina ho an’ny fampandrosoana (Bad). Ny 13-17 jolay no atao ny fiofanana.

Partager sur: