Voafaokan’ny fiara : Olona telo maty, dimy naratra

Namoy ny ainy ny olona telo tamin’ireo voafaokan’ny taksiborosy teny amin’ny RN6, tao amin’ny fokontany Ankiabe, kaominina Beramanja, distrikan’Ambilobe, ny talata 14 jolay teo. Nijanona tamin’ny sisin-dalana ny fiara iray rehefa nisy olana ka niroso tamin’ny fanamboarana azy ny mpamily sy ireo mpanampy azy. Nivoaka ny fiara ireo mpandeha ka nijoro teo amoron-dalana, tamin’ny 2 ora sy sasany. Nandalo tao anatin’ny haizina, nofaohan’ilay taksiborosy ireo olona nijoro. Olona telo tsy tana ny ainy. Naratra mafy ny dimy hafa ka nentina nihazo toeram-pitsaboana ao amin’ny hopitaly Antsiranana. Narahi-maso ao amin’ny Hopitaly Ambilobe ny efatra. Zanak’Ambanja avokoa ireo olona telo namoy ny ainy. Niroso amin’ny fanadihadiana ny tomponandraikitry ny filaminana ao an-toerana.

Tsiferana R.

Partager sur: