Mineraly ho an’ny angovo: Voafaritra ny paikadim-pirenena

Naneho ny vina sy ny paikady momba ny fampiroboroboana ny indostria sy ny fanodinana mineraly i Madagasi­kara, nandritra ny fivoriana momba ireo mineraly tena ilaina amin’ny fiovan’ny angovo fampiasa maneran-tany, tany New York. “Tanjona ny hampitombo ny sandan’ny harena an-kibon’ny tany amin’ny alalan’ny fanodinana azy eto an-toerana”, hoy ny minisitry ny Fampiroboro­boana ny indostria sy ny fampivelarana ny se­hatra tsy miankina, Rahari­man­jato Ny Riana. Nambara­ny fa ho vaindohan-draharahan’ny fanjakana ny ha­nangana sy hanohana ny orinasa mpanodim-bokatra mba ha­moronana asa mendrika ho an’ny tanora. Manana vokatra miisa 259 azo trandrahina, hoy izy, i Madagasikara. Ahi­tana tetikasa fampiasam-bola miisa 124, mitentina 1,82 mi­liara dolara izany ary afaka hamoronana asa manodidina ny 20 000.

Politikam-panjakana
Laharam-pahamehana ny hanatsara ny rafitra indostrialy sy ny fitrandrahana ny ha­rena an-kibon’ny tany. Mi­fa­naraka amin’izany ny fepetra hamerenana ny fahazoan-dalana hi­trandraka, hana­mafisana ny fahatokisan’ny mpampiasa vola. Nason­ga­dina nandritra ny fivoriana ihany koa ny fiaraha-miasantsika amin’ny Onudi, ao anatin’ny fandaharanasa PCP Onudi Madagas­car 2026-2030. Kendrena ny hampiditra ny teknolojia vaovao sy hampahafantatra ireo tetikasa indostrialy amin’ireo mpampiasa vola iraisam-pirenena. “Miantso ireo mpi­antsehatra iraisam-pirenena sy ireo mpampiasa vola i Ma­dagasi­kara hiara-kiasa ami­ny. Tsy amin’ny fitrandrahana ihany fa amin’ny fananganana orinasa mpanodina izany mba handraisan’i Ma­da­gasikara anjara mavitrika amin’ny fiovan’ny angovo fampiasa maneran-tany”, hoy hatrany ny minisitra.

Henintsoa

Partager sur: