Raim-pianakaviana iray mpivarotra ranomanitra mandehandeha voarohirohy ho nikasa hangalatra ankizy 14 taona tany Toamasina. Nitsangantsangana teny amoron-dranomasina ny ankizivavy roa, ny tolakandron’ny alatsinainy 13 jolay teo. Nanatona azy ireo ny lehilahy izay nivarotra ranomanitra. Navoakany avy anaty kitapony ilay ranomanitra ary nasainy norohan’izy mirahavavy. Safotra anefa ny iray tamin’izy ireo taorian’izay ka nianjera tamin’ny fasika. Nampirimin’ilay mpivarotra ireo ranomanitra taorian’izay ary lasa nitsoaka izy. « Tsy afa-nanenjika azy aho fa niezaka naka sary lavitra sady namelona ilay namako safotra », hoy ilay ankizivavy iray nahita ny zava-nisy. Novonjena tany amin’ny hopitaly ilay niharan-doza. Nampandrenesina mahakasika ny zava-nitranga ny ray aman-dreniny ary nametraka fitoriana eny amin’ny polisim-pirenena. Natao ny fikarohana ilay mpivarotra ary voasambotra omaly maraina, teny amoron-dranomasina, ny tenany. Nitondra kitapo iray feno ranomanitra izy nandritra izany. Nentina nanaovana fanadihadiana eny amin’ny biraon’ny polisy ity farany taorian’izay. Andrasana ny valin’ny fanadihadiana amin’ity tranga iray ity, na mpangalatr’olona izy na tsia.
Sajo/ Mino




