Naratra mafy teo amin’ny lohany: Lehilahy hita faty tetsy Andohatapenaka

Lehilahy iray 29 taona, efa tsy nisy aina intsony, hitan’ny mpanokatra paompy hiasa maraina, tetsy Andohatapena­ka I, afakomaly. Nitsirara tamin’ny tany, tao anaty haizina, lehilahy nanaovan’ny anabaviny ombay mitady tamin’ny alalan’ny tambajotran-tserasera sy teny anivon’ny manam-pahefana io namoy ny ainy io. Niala ny trano fonenany ny marain’ny alatsinainy 13 jolay lasa teo izy. “Nifampiarahaba maraina izahay sy izy ny alatsinainy maraina tamin’ny 7 ora tany ho any. Niresaka sy niaraka tamin’ny dadatoako aho no nandalo izy », hoy ny rahalahiny, raha nanontaniana tetsy amin’ny Morgue HJRA Ampefiloha, omaly. « Hitako nirevirevy tao anaty trano fisotroana zava-pisotro iray teny Andohapatenaka izy sy ny namany roa hafa nony hariva ny andro », hoy ihany izy nitantara. Nandalo fotsiny aho satria nisy olona notadiaviko tamin’io fotoana io. Hitan’ny olona teny amin’ny manodidina ny fatiny ny talata maraina. Raha ny fanazavana voaray avy amin’ny rahalahin’ny maty hatrany, mety ho novonoin’ny olona tao anatin’ilay trano fisotroana iray izy io, nalefan’ireo olon-dratsy tao anaty tatatra ary avy eo nariana teny akaiky paompy. Simba tanteraka ny lohany noho ny vono nataon’ireo tsy mataho-tody azy ka antony tsy nahafantaran’ny fianakaviany ny razana. Efa tany amin’ny tranom-paty vao fantatry ny fianakaviana. Very ny findainy sy ny ankajo ba izay nanaovany, rovitra ny ankajo teny an-kodiny. Efa nametraka fitoriana eny amin’ny polisim-pirenena ny fianakaviana. Manokatra fanadihadiana mahakasika io raharaha io ny mpitandro filaminana.

Tsiferana R.  / Mino

Partager sur: