Nirefodrefotra indray ny basy tao amin’ny fokontany Ambalakisoa, Toamasina, omaly alina. Nahatsikaritra zatovo maromaro, miisa enina, mirongo fitaovam-piadiana ny fokonolona any an-toerana. Nampandrenesina avy hatrany ny polisy sy ny zandary taorian’izay. Nidina ifotony nijery ny zava-misy sy nanao fanaraha-maso ireto farany vantany vao nahazo antso. Tratra ireo jiolahy ary raikitra ny fifanenjehana. Voatifitra, tamin’izany, ny telo tamin’izy ireo ka namoy ny ainy noho ny ratra mafy nahazo azy ireo. Tafaporitsaka ny telo ambiny, raha ny fanazavana voaray hatrany. Nahitana basy poleta miisa telo izay efa voafahana teny amin’ireo olon-dratsy voatifitra, rehefa nosavain’ny mpitandro filaminana.
Sajo




