Lehilahy iray 24 taona, maty nananton-tena tamin’ny taribia tao anaty tranon’akohon’ny mpampiasa azy, tetsy Ambohidray, fokontany Andranovelona, kaominina Ambanivohitra Fihaonana, distrikan’Ankazobe, omaly maraina tamin’ny 8 ora sy 20 minitra. Faty nihantona teo afovoan-trano no hitan’ny mpiasa sy ny mpampiasa azy rehefa novahana maraina ny trano. Nampandre ny Zandarimaria avy ao amin’ny tobim-paritra Fihaonana ny raim-pianakaviana, tompon’ny toeram-piompiana akoho taorian’izay. Tsy niandry ela fa nidina ifotony nijery ny zava-misy sy nanao ny fanadihadiana izy ireo vantany vao nahazo antso. Tonga teny ihany koa ny mpitsabo avy amin’ny CSB II Fihaonana.
Hita nihantona tamin’ny taribia (fil métallique) tao anatin’ny tranon’akohon’ny mpampiasa azy ity lehilahy ity. Efa tsy nisy aina intsony. Nahitana faritra mangana sy nilentika mafy vokatry ny fatotra ny tendany izay nitarika azy tamin’ ny fahafatesany. Tsy nahitana ratra na fery hafa kosa tamin’ ny vatany. Tombanana ho adiny telo talohan’ny nahitana azy no nahafatesany, raha ny filazan’ny mpitsabo. Tsy mbola fantatra mazava ny antony nahatonga ity lehilahy ity hamono tena. Nambaran’ny mpampiasa azy fa iray amin’ ireo mpiasa misahana ny fikarakarana akoho ao an-toerana ilay hita faty. Mitohy ny fanadihadiana izay sahanin’ny tobim-paritry ny zand#arimaria Fihaonana. Natolotra ny mpampiasa azy ny razana taorian’ny fizahana.
Mino




