Fitaovana ahafahana miroso amin’ny sehatry ny matihanina ny fananana kolontsaim-pandraharahana. Nampiofana izany ho an’ireo mpianatra taona faharoa miisa 22 (eo anelanelan’ny 14 ka hatramin’ny 18 taona), avy ao amin’ny Collège agricole Manganoro, disitrikan’Ambatondrazaka, ny ekipan’ny DIRIDSP. Tanjona ny hahafahan’ny tanora miatrika am-pahatokisana sy am-pahombiazana ny fandraharahana miandry azy ireo aorian’ny fianarany.
Vidian’ny Société Vanilla Sourcing Group Mada. Sarlu 23 000 Ar/kg ireo lavanila maitso bio milanja 8 taonina ao Lavatsiraka, kaominina Antombana, distrikan’Antalaha. Noraisiny 11 000 Ar kosa ny vokatr’ireo tantsaha ao Namohana-Tanandava, kaominina Ampobe. Nalain’ny Société Madagascar Flavors 10 000 Ar/kg ny vokatr’ireo tantsaha ao amin’ny kaominina Saraha an-dranomasina, distrikan’Antalaha.
Resy lahatra amin’ny tombontsoa azo avy amin’ny fanarenana ny ala honko ny mponina Ambivibenetsy, distrikan’i Belo Tsiribihina. Taona vitsy lasa, niankindoha tamin’ny famokarana saribao ny mponina noho ny fisian’ny sira amin’ny tanimbary sy ny fihenan’ny loharanom-pivelomana avy amin’ny fambolena. Vokany, nitombo ny tsindry nahazo ny ala maina sy ny ala honko. Nanomboka ny taona 2022, nirotsaka an-tsehatra namerina ny ala honko ny mponina ka tafaverina tamin’izany ny 18 ha.




