Nivoitra nandritra ny fifanakalozan-kevitr’ireo mpandraharaha mpanafatra ronono mandry (lait concentré) sy “creamer” sy ny Fahefana nasionaly misahana ny fepetra fanitsiana ara-barotra (ANMCC) ny fampiharana ny fepetra fiarovana ny vokatra sy ny mpanjifa. Ho hentitra ny fanaraha-maso ialana amin’ny fandikan-dalàna.
Fihaonana nanazavana ny fampiharana ny fepetra fiarovana ara-barotra sy nihainoana ny hetahetan’ireo mpandraharaha. Nanazava ny Tale jeneralin’ny ANM CC, Barthélémy, fa mifanaraka amin’ny fifanarahana amin’ ny OMC ny fepetra noraisina. Kendrena ny hiarovana ny famokarana eto an-toerana manoloana ny fitobaky ny vokatra nafarana mitovy na mifaninana aminy, toy ny ronono mandry sy ny “creamer”. “Voafetra ho 3 000 taonina (t) isan-taona ny vokatra afaka miditra eto amintsika tsy mandoa hetra fanampiny. Mihatra avy hatrany kosa ny hetra fanampiny 29% raha mihoatra izany. Fepetra manan-kery hatramin’ny 31 desambra 2026 raha hatramin’ny 5 jona 2027 kosa ny 28%, raha ny fanazavana. Ankilany, nampitandrina ireo mpanafatra sasany mampiasa “code du système harmonisé” (SH) hafa mba hialana amin’io fandoavan-ketra io ny ANMCC. Tsikaritra izany taorian’ny fanamafisana ny fanaraha-maso ny fametahana ny marika ny volana aogositra 2025.
Rafitra
Misy ny vokatra “creamer” namidy tamin’ny anarana ronono mandry mamy, nefa menaka avy amin’ny zavamaniry. Vokatra vita avy amin’ny “huile de palme”. Heverina ho fandikan-dalàna. “Ankoatra izay, hamafisina ny fanaraha-maso ka tsy maintsy hampiarahina amin’ny Déclaration préalable d’importation (DPI), atao amin’ny alalan’ny vovonana Midac, ny fiche technique sy ny certificat d’analyse”, hoy ny Tale jeneralin’ny ANMCC. Hanara-maso ny fanatanterahana izany ny tomponandraikitra eo anivon’ny minisiteran’ny Varotra sy ny fanjifana. Naneho ny ahiahiny momba ireo “creamer” ihany koa ireo mpanafatra, indrindra ny tsy fisian’ny kaody “tarifaire” manokana teo aloha sy ny fomba handraisana ireo entana nafarana talohan’ny nampiharana ireo fepetra vaovao. “Mbola hisy ny dinika hiarahana amin’ireo mpisehatra hijerena ny vahaolana mifanaraka amin’ny lalàna sy ny tombontsoan’ny rehetra”, raha ny fanazavana voaray.
Henintsoa




