Vita sonia ny alakamisy teo ny fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny Fikambanan’ny orinasa malagasy (Fom) sy ny Clood Madagascar, mpikambana ao amin’ny Fom. Fiaraha-miasa hanohanana ny fanovana niomerika ho an’ireo mpikambana. “Miantsehatra amin’ny développement numérique ny Clood. Tanjona ny hanampy sy hanome tantsoroka ireo mpandraharaha sy hitondra vahaolana ara-niomerika mifanaraka amin’ny filany sy ny fahefany”, hoy ny filohan’ny Fom, Tsiranana Fiona. “Kendrena manokana ny hanakaiky sy hanohana ny mpandraharaha mba hivoarany eo amin’ny sehatry ny niomerika”, hoy kosa ny mpanorina ny Soamidi Group, Tolojanahary Aina. Marihina fa misehatra amin’ny orinasa tena madinika, madinika sy salantsalany (TPME) avokoa ny 92% ny Malagasy mpandraharaha izay manan-danja amin’ny fampivoarana ny toekarena. Vaindohan-draharaha ho azy ny hanodina ny orinasa tantaniny. Afaka manampy amin’izany ny Fom mba hahafahany miatrika ny fifaninanana, raha ny fanazavana voaray. Miantso ireo TPME ny filohan’ny Fom mba hiditra anaty vondrona na fikambanana mba hahafahany misitraka ireo tombontsoa maro samihafa sy hampivoarana ny fandraharahany.
Henintsoa




