Fanadinana BEPC: Niakatra ny taham-pahafahana ho an’i Toamasina

Ny alakamisy lasa teo ny fotoana niarahan’ny mpanabe, notarihin’ny lehiben’ny fanabeazam- pirenena, nandinihina ny naoty farany ambany ho an’ny mpiadina tamin’ny fanadinana BEPC 2026. Natao tao amin’ny CEG de référence Ambodimanga izany, ho an’ny tanànan’i Toamasina Reni­vohitra. Niarahan’ny rehetra nanapaka fa naoty 9,50/20 no eken’izy ireo ka nahazoana ny taham-pahafahana 67,60% ; raha 56,04% izany ny taona 2025.
Amin’ny ankapobeny, mi­isa 6 292 ny mpiadina voasoratra anarana, 6 004 tamin’ireo no tonga niatrika ny fanadinanana. Vokany, 4 059 no afa-panadinana. 19.22/20 ny naoty ambony indrindra ka ankizivavy 16 taona no nahazo azy, ho an’ny taona 2026. Nahatratra 19,80/20 ny salanisa ambony indrindra ny taon-dasa. Ho an’i Toamasina manokana, miisa 80 ireo sekoly nisy mpianatra nisoratra anarana ka 11 tamin’ireo ihany no nahazo vokatra 100%. Omaly maraina vao napetaka ny petadrindrina hisorohana ny mety hivoahan’ny ankizy sy ny ray aman-dreny hijery ny vokatra ny alakamisy alina.

Sajo

Partager sur: