Manodidina ny 7 litatra isan’olona isan-taona ihany ny fanjifana ronono eto Madagasikara. Mila ezaka be ny fampitomboana ny famokarana sy ny fanjifana. Anisan’ny antony hanatanterahina ny 22 hatramin’ny 25 jolay ho avy izao, etsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina, ny Foaran’ny fromazy aty afovoantany, FFHT (Foires aux fromages des Hautes Terres), andiany faha-3, izany. Tanjona ny hanasongadinana sady hampiroboroboana ny vokatra ronono, indrindra ny fromazy vita malagasy. Nisolo tena ny minisitry ny Fiompiana (MinEl) tamin’ny fampahafantarana ny hetsika, ny 16 jolay teo, ny sekretera jeneralin’ny minisitera. Nambarany fa miatrika fanamby lehibe ny sehatry ny ronono eto Madagasikara. Satria, tsy mbola mahavaly tanteraka ny filan’ny tsena anatiny ny famokarana eto an-toerana. Koa, ezahin’ny minisitera sy ireo mpiara-miombon’antoka ny fanatsarana ny fiompiana karazan’ombivavy be ronono.
Hampifandray mivantana
Hamafisina ny rafitra fanangonana sy fitaterana ronono. Tohanana ireo mpiompy sy mpanodina amin’ny fanatsarana ny kalitao sy ny sakafon’ny biby. Hampiroboroboina ny fanjifana ny vokatra vita malagasy. Sehatra iray hampahafantarana ny kalitao sy ny fahasamihafan’ny fromazy vita malagasy, noho izany, ny FFHT, andiany faha-3. Hampifandray mivantana ireo mpiompy, mpamokatra, mpanodina, mpivarotra ary ny mpanjifa sy hanome lanja ny rojom-pamokarana.
Njaka A.




