Lehilahy iray mpamily fiara karetsaka no niharan’ny vono sy nokasaina halaina an-keriny tetsy Ambohimanambola, ny atoandron’ny alarobia tamin’ny 2 ora tany ho any. Nosakanan’ny lehilahy miisa roa teny Ambohimanambola izy. Nilaza ho aterina eny amin’ny Batou-beach izy ireo. Nokendain’izy roa lahy ireto anefa ilay mpamily rehefa tonga teny amin’ny toerana tsy dia be olona. Nanambana tamin’
ny antsy kosa ny iray tamin’ireo olon-dratsy. Nahatsindry ny alarme antivol anefa ilay mpamily tamin’izany ka lasa nitsoaka izy roa lahy. Naheno izany ny mponina teny amin’ny manodidina ka nirohotra nanenjika ireo olon-dratsy. Vokany, voasambotry ny fokonolona ireo roa lahy nahavanon-doza ka rapan’ny vono sy ny daroka. Tonga teny an-toerana ihany koa ny zandary avy ao amin’ny zana-tobim-paritra Ambohimanambola vantany vao nahazo antso. Fantatra nandritra ny fanadihadiana nataon’ny zandary azy ireo fa voairaky ny lehilahy iray hafa, mba haka an-keriny io mpamily io, izy ireo. Voalaza fa nanadala ny vadin’ilay mpaniraka io saofera io ka anton’ny fikasan-dratsiny. Nosamborina sy nentina nanaovana fanadihadiana eny amin’ny biraon’ny polisy izy ireo rehefa nahazo fitsaboana sahaza azy. Efa voasambotra ihany koa ilay lehilahy atidoha nikotrika izao asa ratsy izao.
Mino




