Lalao famaranana : Hiady ny amboara ry Messi sy ry Yamal

Ho fantatra rahampitso izay hibata ny amboara volamena amin’ny andiany faha-23 ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany “Mondial 2026”. Hamarana izany ny La Furia Roja Espagne sy ny Albiceleste Argentine, tompondaka farany.

Hotanterahina rahampitso alahady, ao amin’ny Kianja New-York New Jersey, ny famaranana hiadiana ny ho tompondaka maneran-tany amin’ny baolina kitra “Mondial 2026”. Hanakatona ity andiany faha-23 ity ny La Furia Roja Espagne sy ny Albiceleste Argentine. Hanana ny tantarany ity lalao ity satria ekipa tsy dia mihaona matetika eo amin’ny “Mondial” izy ireo. Fanindroany amin’izao no hikatrohany, taorian’ny taona 1966. Raha teo amin’ny lalao tsotra kosa efa in-14 ny fifanandrinana ka samy nahazo fandresena 6 avy ary ady sahala ny roa. Ity izany no tsontsorimamba isarahana. Hiaro ny anaram-boninahitra eo am-pelantanany ny Argen­tin amin’ity. Ry zareo Albice­leste ihany koa no hany ekipa nahavita niatrika famaranana indroa misesy. Etsy ankilany, niavaka ny espaniola tamin’ity “Mondial 2026” ity, satria hany firenena tokana tsy nidiram-baolina afa-tsy tokana ihany. Izany hoe, ny La Furia Roja izany no ekipa tsara fiarovantena indrindra. Ny hitovizan’ny roa tonta kosa samy manana mpilalao sangany sy teknisianina. Ny Albiceleste, tarihin’i Messi, izay mikendry ihany koa ny “ballon d’or”. Miaraka aminy eo ry Martinez, anisan’ny havanana amin’ny famonoam-baolina. Ho an’ny La Furia Roja indray misy ireo mpilalao tanora sy matanjaka. Anisan’ireny i Yamal sy i Pedri ary i Cucurella. Hitantana ny lalao famaranana ireo teratany slovène telo mirahalahy. Eo afovoany i Slavko Vincic ary eny an-jorony i Tomaz Klan­cnik sy i Andraz Kovacic. Hia­dy ny laharana fahatelo kosa, anio sabotsy, ao amin’ny Kianja Miami, ny Les Bleus France sy ny Three lions Angleterre.

Tompondaka

Partager sur: