Miditra amin’ny dingana faharoa hananganana ny fanofanana arakasa eny amin’ny Toby Akamasoa ny fanjakana. Tanterahina amin’ny alalan’ny tetikasa CCPREAS izany, ka asa roa no hatao. Voalohany, ny fanajariana ny manodidina sy ny fanadiovana ny tontolo. Faharoa, ny fanamboarana ny fefy sy ny vavahady. Nanomboka ny taona 2022 ny tetikasa ka maro ny fotodrafitrasa vita, toy ny trano foibe iray, trano fatoriana 4, trano fanofanana 8, trano fianarana 7 ary birao fitantanana iray.
Amana hetsiny ny tokantrano nisitraka ny tetikasa notohanan’ny Fida, nanatsarana ny sehatry ny fambolena eto Madagasikara. Niara-niasa taminy ny fanjakana malagasy tamin’ny alalan’ny minisitera MiASA. Nifarana ny iraka nosahanin’i Joseph Rostand Olinga Biwole, amin’ny maha solontenan’ny Tahiry iraisam-pirenena ho an’ny fampandrosoana ny fambolena (Fida) teto Madagasikara, azy. Notolorana ny mariboninahitra « Chevalier de l’ordre national malagasy » ny tenany, omaly 17 jolay.
Voafidy hitantana ny vola 50 tapitrisa dolara, azo avy amin’ny alalan’ny tsena karbona, ny Fondation Tany Meva. Natao sonia ny 17 jona teo ny fifanarahana teo amin’i Madagasikara sy ny Banky iraisam-pirenena. Tanjona ny hiantohana ny fitsinjarana sy ny fampiasana ny vola mba tena hisitrahan’ny vondrom-piarahamonina eny ifotony izany, hiarovana ny ala, izay mitahiry ny entona karbona.




